<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>475</hymn_number>
<title>Jeso Mpamonjy Mpiandry tokoa FFPM475</title>
<lyrics>[V1]
 Jeso Mpamonjy, Mpiandry
 tokoa
 Ampivereno hanaraka Anao ;
 Ondry mania, manary ny soa,
 Aza avela hiala aminao.

[V2]
 Taomin'ny ratsy, fitahin-tSatana,
 Mila ho lasan-ko babo izahay,
 Fa Hianao no mahery mitana
 Tsy hahavery ny ondry iray.

[V3]
 Varivariana, salasalaina,
 Be ahiahy, jereo izahay ;
 Ampianaro ny tsy hary saina,
 Ampitsaharo ny fanianay.

[V4]
 Aina nomenao hisolo ny very,
 Ary ny ranao nanvotra anay,
 Fa Hianao no nitondra irery
 Fampijalian-kanitsy anay.

[V5]
 Fa ny fiainan-tsi-hita resenao
 Velona mandrakizay Hianao ;
 Dia fiainana an-danitra omenao
 Izay ondry mety manaraka Anao.</lyrics>
</song>